Ny tanjon’ny drafitra iraisam-pirenena momba ny karazanjavamananaina araka ny zavamisy any amin’ny faritra

Ny drafitra maneran-tany momba ny karazanjavamananaina dia natao mba hiarovana ny natiora syhampitsaharana ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina. Miorina amin’ny tanjona lehibe efatra izy io izay hivondrnan’ny tanjona 23 mazava izay hotratratrarina alohan’ny taona 2030. Marihina fa ny tanjonafaha-22 dia mampatsiahy ny anjara toerana lehibe tazomin’ireo mponina eny ifotony. Araka izany, mba ahafahan’ny fokonolona mandray anjara feno amin’ny fanatrarana ny tanjona hiarovana ny karazanjavamananaina dia zava-dehibe ny namaritana ny tanjona mifandraika amin’ny zava-misy isam-paritra. Taorian’ny fankankevitra sy ny fikaonandoha natao tany amin’ny faritra DIANA sy BOENY mba hanatanterahana ny paikady sy ny drafitrasa nasionaly ho an’ny karazanjavamananaina.Pour lire en intégralité
Ny tanjon’ny drafitra iraisam-pirenena momba ny karazanjavamananaina

Fantaro ny tanjona 23 mikasika ny karazanjavamananaina izay ho tratrarina alohan’ny 2050.
Tontolo iray feo amin’ny natiora

Pour lire l’intégralité du document Ny harena voajanahary tsy manam-paharoa, ho an’ny Madagasikara, dia mifandray tanteraka amin’ny maha-izy azy, amin’ny kolontsainy ary amin’ireo fomba amam-panaon’ireo mponina ao aminy.Iharan’ireo tsindry maro samihafa anefa izany ankehitriny. Anisan’izany ny fahaverezan’ny karazam-biby sy zavamaniry, ny fanapotehana ala, ny fandotoana, ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro ary koa ny fahaverezan’ireo fahalalana sy fahaiza-manao nentim-paharazana.
