FICHE CIBLE CMB

Ny TAFO MIHAAVO dia mametraka ny miralenta sy ny fampitoviana ny lahy sy ny vavy ho fototra amin’ny fanatanterahana ny Drafitra Manerantany ho an’ny Karazanjavamananaina. Ampiharina amin’ny sehatra rehetra izany, indrindra amin’ny fidirana amin’ny zo, ny tany sy ny harena voajanahary, ary ny fandraisana anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny politika fampandrosoana, miaraka amin’ny fanajana tanteraka ny zon’ny fokonolona eny ifotony.
Zava-dehibe ihany koa ny fahazoana vaovao, antontanisa ary fahalalana feno sy marim-pototra, ahafahan’ny mpitondra, ny mpisehatra ary ny vahoaka mandray fanapahan-kevitra mazava sy tompon’andraikitra. Asongadina manokana ny fanajana ny fahalalana nentim-paharazana sy ny fanamafisana ny fifampizaràna traikefa, ny fikarohana ary ny fitantanana ny harentsaina.
Farany, mikendry ny hampihenana be indrindra ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina ny TAFO MIHAAVO, amin’ny alalan’ny fiarovana sy fitantanana mahomby ny 30% amin’ny tany, ny ranomamy ary ny ranomasina, ary ny fanarenana ny asan’ny zavaboahary mba hitondra vokatsoa maharitra ho an’ny olombelona.
