Ny drafitra maneran-tany momba ny karazanjavamananaina dia natao mba hiarovana ny natiora sy
hampitsaharana ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina. Miorina amin’ny tanjona lehibe efatra izy io izay hivondrnan’ny tanjona 23 mazava izay hotratratrarina alohan’ny taona 2030. Marihina fa ny tanjona
faha-22 dia mampatsiahy ny anjara toerana lehibe tazomin’ireo mponina eny ifotony.
Araka izany, mba ahafahan’ny fokonolona mandray anjara feno amin’ny fanatrarana ny tanjona hiarovana ny karazanjavamananaina dia zava-dehibe ny namaritana ny tanjona mifandraika amin’ny zava-misy isam-paritra. Taorian’ny fankankevitra sy ny fikaonandoha natao tany amin’ny faritra DIANA sy BOENY mba hanatanterahana ny paikady sy ny drafitrasa nasionaly ho an’ny karazanjavamananaina.
Pour lire en intégralité
