

Ny tanjona fototra amin’ity boky torolalana ity dia ny fampahafantarana ireo DDHE eto Madagasikara (DDHE), momba
ireo fepetra ara-pitsarana sy ivelan’ny Fitsarana azo ampiharina hiarovana sy hampiroboroboana ny zon’izy ireo, ary ny fomba
fampiasana azy ireo.
Araka izany, ny boky torolalana dia manome ny DDHE ireo foto-kevitra ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa ataony sy
ny fepetra takiana hahazoana antoka bebe kokoa amin’ny fiarovana ny tenany.
Ity boky torolalana ity dia natao ho an’ny mpamaky maro samy hafa izay milatsaka an-tsitrapo, indrindra fa :
• Ny DDHE (DDHE);
• Ny fiarahamonim-pirenena (OSC) miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona;
• Ny Vondron’Olona Ifotony (VOI);
• Ny mpiasan’ny haino aman-jery;
• Ny olom-pirenena tsotra;
• Ireo mpandray anjara hafa izay maniry hampitombo ny fahalalany momba ny zo ara- tontolo iainana (ny manam-pahefana eo an-toerana, ireo mpisehatra eo amin’ny rafi-pitsarana, sns.).
Ity antontan-kevitra ity dia ahitana ny :
• Ny rafitra ara-panjakana sy ara-dalàna manan-kery ho fampiroboroboana sy fiarovana ny DDHE;
• Ny zo sy ny andraikitrin’ny DDHE;
• Ny fampakaran-draharaha;
• Ny rafitra ivelan’ny Fitsarana eo amin’ny sehatra nasionaly, isam-paritra ary iraisam-pirenena;
• Ireo fepetra takiana ho an’ny fiarovana ara-batana sy eo amin’ny lafiny kajy mirindra ireo DDHE;
• Tolo-kevitra ho an’ny tontolo azo antoka kokoa ho an’ireo DDHE.
Ny famolavolana ity torolalana ity dia nankinina tamin’ny ekipa mpanamahay, izay nanao fikarohana lalina tamin’ny
alàlan’ny antontan-kevitra, ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny fifampidinihana tamin’ireo olona manana traikefa avy amin’ny
fikambanana sy andrim-panjakana voakasika. Izany dingana izany no narahana dia nahafahana nanangona fomba fijery maro
lafy ary niantoka fa ny boky torolalana dia manolotra soso-kevitra azo ampiharina eny an-tsehatra / eny ifotony.
Ny kisary etsy ambany dia mampiseho ny dingana lehibe tamin’ny famolavolana ny boky torolalana.