
Pour lire l’intégralité du document
Ny harena voajanahary tsy manam-paharoa, ho an’ny Madagasikara, dia mifandray tanteraka amin’ny maha-izy azy, amin’ny kolontsainy ary amin’ireo fomba amam-panaon’ireo mponina ao aminy.
Iharan’ireo tsindry maro samihafa anefa izany ankehitriny. Anisan’izany ny fahaverezan’ny karazam-biby sy zavamaniry, ny fanapotehana ala, ny fandotoana, ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro ary koa ny fahaverezan’ireo fahalalana sy fahaiza-manao nentim-paharazana.
